FANOVANA FANDAHARAM-POTOANAN’NY FIVORIANA ARA-POTOANA VOALOHANY TAONA 2025 10 JONA-4 JOLAY 2025
TALATA 10 JONA 2025
Amin’ny :
2 ora sy sasany tolakandro: Fivorian’ny Birao maharitra – (Efitrano fandraisam-bahiny)
Tolo-panovàna fandaharam-potoana manomboka ny 10 jona hatramin’ny 4 jolay 2025
3 ora tolakandro : Dinik’ireo Filoha – (Efitrano fivorian’ny Vaomiera)
Tolo-panovàna fandaharam-potoana manomboka ny 10 jona hatramin’ny 4 jolay 2025
3 ora sy sasany tolakandro : FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Fandaniana ny fanovàna ny fandaharam-potoana manomboka ny 10 jona hatramin’ny 4 jolay 2025
ALAROBIA 11 JONA 2025
Amin’ny:
10 ora maraina : ASAM-BAOMIERA – (Efitrano fivorian’ny Vaomiera)
Vaomiera faharoa : Lalàna
Fandinihana ireto :
- Tolo-dalàna fehizoro laharana faha 005-2025/SENAT/PPL manisy fanovàna ny lalàna fehizoro laharana faha 2018-008 tamin’ny 10 avrily 2018 mikasika ny fitondrana ankapobe ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, natolotry ny jeneraly Richard RAVALOMANANA, Filohan’ny Antenimierandoholona ;
- Tolo-dalàna laharana faha 006-2025/SENAT/PPL manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 91-025 tamin’ny 12 aogositra 1991 mikasika ny fandaminana sy ny fanaraha-maso ny fivezivezen’ny teratany malagasy any ivelany, novain’ny lalàna laharana faha 96-017 tamin’ny
13 aogositra 1996, natolotry ny jeneraly Richard RAVALOMANANA, Filohan’ny Antenimierandoholona ; - Tolo-dalàna laharana faha 007-2025/SENAT/PPL manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 99-028 tamin’ny 3 febroary 2000 mikasika ny fanavaozana ny fehezan-dalàna mifehy ny fivezivezena an-dranomasina, natolotry ny jeneraly Richard RAVALOMANANA, Filohan’ny Antenimierandoholona .
ALAKAMISY 12 JONA 2025
Amin’ny :
10 ora maraina : FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Fandaniana ireto :

ALATSINAINY 16 JONA 2025
Manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina :
FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Fihaonana amin’ny mpikambana ao amin’ny Governemanta
TALATA 17 JONA 2025
Amin’ny :
9 ora maraina: Fivorian’ny Birao maharitra – (Efitrano fandraisam-bahiny)
Fanovàna fandaharam-potoana arakaraky ny fahatongavan’ny rijantenin-dalàna
10 ora maraina : ASAM-BAOMIERA – (Efitrano fivoriambe)
Vaomiera voalohany : Fitantanam-bola, Toekarena sy Fampandrosoana Lovain-jafy
Vaomiera faharoa : Lalàna
Vaomiera fahatelo : Sosialy, Kolontsaina sy Serasera
Fandinihana ireto tolo-dalàna ireto :
- laharana faha 001-2025/SENAT/PPL «manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2014–020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireo fombafomba fifidiananana, ny fandaminana, ny fampandehanan-draharaha ary ny anjara andraikitr’ireo rantsa-mangaika ao aminy, novaina sy nofenoin’ireto lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018, laharana faha 2021-010 tamin’ny
05 aogositra 2021 sy laharana faha 2024-002 tamin’ny 07 febroary 2024, natolotr’i Ramatoa Lalatiana Henriette RAKOTONDRAZAFY, Loholon’i Madagasikara; - laharana faha 002-2024/PL manova ny tovana amin’ny lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny
11 jolay 2018 manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2014–020 tamin’ny 27 septembra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireo fombafomba fifidianana, ny fandaminana, ny fampandehanan-draharaha ary ny anjara andraikitr’ireo rantsa-mangaika ao aminy, natolotr’Andriamatoa TSARADIA Marco, solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana - laharana faha 002-2025/SENAT/PPL mikasika ny fanisàna, ny fanaovana vakisiny sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny omby eto Madagasikara, natolotr’i Ramatoa Lalatiana Henriette RAKOTONDRAZAFY, Loholon’i Madagasikara ;
- laharana faha 004-2025/SENAT/PPL mameno sy manova ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamana, natolotr’Andriamatoa isany RAKOTONDRAINIBE Andrianantenaina Michel sy TIANDAZA Dinaraly Odilon, Loholon’i Madagasikara.
ALAROBIA 18 JONA 2025
Amin’ny :
10 ora maraina : FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Fandaniana ny tolo-dalàna laharana faha 001-2025/PL mikasika ny famokarana sy famarotana toaka gasy eto amin ‘ny tany sy firenena malagasy, natolotry ny solombambahoaka ANDRIAMIHAJA Fanomezantsoa Yves Georges, voafidy tany amin’ny distrikan’Ambositra ;
ALAKAMISY 19 JONA 2025
Amin’ny :
9 ora maraina : FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Fandaniana ireto tolo-dalàna ireto :
- laharana faha 001-2025/SENAT/PPL «manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2014–020 tamin’ny 27 septambra 2014 mikasika ny loharanom-bolan’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ireo fombafomba fifidiananana, ny fandaminana, ny fampandehanan-draharaha ary ny anjara andraikitr’ireo rantsa-mangaika ao aminy, novaina sy nofenoin’ireto lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018, laharana faha 2021-010 tamin’ny
05 aogositra 2021 sy laharana faha 2024-002 tamin’ny 07 febroary 2024, natolotr’i Ramatoa Lalatiana Henriette RAKOTONDRAZAFY, Loholon’i Madagasikara; - laharana faha 002-2025/SENAT/PPL mikasika ny fanisàna, ny fanaovana vakisiny sy ny fanaraha-maso ny fahasalaman’ny omby eto Madagasikara, natolotr’i Ramatoa Lalatiana Henriette RAKOTONDRAZAFY, Loholon’i Madagasikara ;
- laharana faha 004-2025/SENAT/PPL mameno sy manova ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna laharana faha 2011-002 tamin’ny 15 jolay 2011 mikasika ny fehezan-dalàna momba ny fahasalamana, natolotr’Andriamatoa isany RAKOTONDRAINIBE Andrianantenaina Michel sy TIANDAZA Dinaraly Odilon, Loholon’i Madagasikara.
11 ora atoandro : VAOMIERA ITAMBARAMBE ARAHINAFIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Fandinihana sy fandaniana ny tolo-dalàna fehizoro laharana faha 009-2025/SENAT/PPL manova sy mameno ireo andininy sasantsasany amin’ny lalàna fehizoro laharana faha
2015-007 tamin’ny 03 marsa 2015 novain’ny hitsivolana laharana faha 2019-006 tamin’ny
28 mey 2019 mamaritra ny fitsipika mikasika ny fampandehanan-draharahan’ny Antenimierandoholona, sy ireo fombafomba fifidianana ary fanendrena ny loholon’i Madagasikara, natolotr’Andriamatoa TSIEBO Mahaleo Richard Victor, Loholon’i Madagasikara.
TALATA VOALOHAN’NY VOLANA JOLAY 2025
Amin’ny :
9 ora maraina: Fivorian’ny Birao maharitra – (Efitrano fandraisam-bahiny)
Fanovàna fandaharam-potoana arakaraky ny fahatongavan’ny rijantenin-dalàna
ZOMA 4 JOLAY 2025
Amin’ny :
3 ora tolakandro: FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA – (Efitrano fivoriambe)
Lanonam-pamaranana ny fivoriana ara-potoana voalohany taona 2025