FANDAHARAM-POTOANAN’NY FIVORIANA ARA-POTOANA FAHAROA TAONA 2025 1 DESAMBRA-19 DESAMBRA 2025

ALATSINAINY VOALOHAN’NY VOLANA DESAMBRA 2025

Amin’ny :

9 ora sy sasany maraina :            Fivorian’ny Birao maharitra – (Efitrano fandraisam-bahiny)

Famolavolàna sy fanolorana ny fandaharam-potoana

10 ora maraina :     Dinik’ireo Filoha– (Efitrano fivorian’ny Vaomiera)

Famolavolàna sy fanolorana ny fandaharam-potoana

10 ora sy sasany maraina :         FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Fandaniana ny fandaharam-potoana

TALATA 2 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

2 ora tolakandro :               FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Fihainoana ireo Mpikambana ao amin’ny Governemanta :

  1. Ramatoa Minisi-panjakana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana
  2. Andriamatoa Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Raharahan-tany
  3. Andriamatoa Minisitry ny Filaminam-bahoaka
  4. Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana ara-Teknika sy ny Fampiofanana arak’asa
  5. Andriamatoa Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana
  6. Andriamatoa Minisitry ny toekarena sy ny Fitantanam-bola
  7. Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fampivelarana ny sehatra tsy miankina
  8. Andriamatoa Minisitry ny Angovo sy Akoranafo
  9. Andriamatoa Minisitry ny Harena ankibon’ny tany
  10. Andriamatoa Minisitry ny Asa vaventy
  11. Ramatoa Minisitry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana
  12. Andriamatoa Minisitry ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra
  13. Ramatoa Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina
  14. Ramatoa Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsaràna
  15. Andriamatoa Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana
  16. Ramatoa Ministry ny Fahasalam-bahoaka
  17. Andriamatoa Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa
  18. Ramatoa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena
  19. Ramatoa Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifàna
  • Ramatoa Ministry ny Asa, ny fampananan’asa sy ny Asam-panjakana
  • Andriamatoa Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetrandro
  • Andriamatoa Minisitry ny Jono sy ny Toekarena manga
  • Andriamatoa Minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy
  • Ramatoa Minisitry ny Fizahan-tany sy ny Asa tanana
  • Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena
  • Andriamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina
  • Andriamatoa Minisitry delege miadidy ny Zandarimariam-pirenena

ALAROBIA 3 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

2 ora sy sasany tolakandro  :                 FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Fihainoana ny solontenan’ny :

  • Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana : Fikambananan’ireo Ben’ny Tanàna
  • Vondron-draharaha ara-toekarena sy ara-tsosialy : GEM, SIM, …
  • Fikambanan’ny Vehivavy
  • Fikambanan’ny « handicapés »
  • Fikambanan’ny Tanora lahy sy vavy

ALAKAMISY 4 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

9 ora maraina :        FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Fanolorana sy fitondrana ankapobe ny volavolan-dalàna laharana faha 015/2025 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2026 (Séance d’imprégnation)

3 ora tolakandro :   ASAM-BAOMIERA- (Efitrano fivoriambe)

Fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha 015/2025 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2026

ZOMA 5 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

9 ora maraina :        ASAM-BAOMIERA- (Efitrano fivoriambe)

Tohin’ny fandinihana ny volavolan-dalàna laharana faha 015/2025 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2026

3 ora tolakandro :   FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Fandaniana ny volavolan-dalàna laharana faha 015/2025 momba ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona 2026

————————————–

FANAMARIHANA :

Miandry ny fahatongavan’ny rijantenin-dalàna avy amin’ny Antenimierampirenena na avy amin’ny Governemanta ny fiovàn’ny fandaharam-potoana manaraka.

————————————–

ZOMA 19 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

3 ora tolakandro :   FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Lanonam-pamaranana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana faharoa taona 2025