FANAMBARANA

  • Manoloana  ny fikorontanana vokatry ny fiparitahan’ny laza adina « Tantara sy Jeografia » tamin’ny fiatrehana ny fanadinana bakalorea ny Alarobia 19 jolay 2023 lasa teo, ny Antenimierandoholona dia manameloka tanteraka ireo tompon’antoka tamin’izany.
  • Araka izany, ny Antenimierandoholona dia mangataka ny Governemanta sy ny mpitandro filaminana mba hanao ny ezaka rehetra hikarohana ireo nahavanon-doza sy ampahafantatra izany amin’ny vahoaka malagasy ary hampihatra ny sazy faran’izay henjana sahaza amin’ireo nahavanon-doza.
  • Entanina ihany koa ireo ray aman-dreny sy ireo mpiadina mba ho tony hatrany eo am-piandrasana ny valim-panadinana.
  • Ny Antenimierandoholona dia miombom-po tanteraka amin’ireo ray aman-dreny sy mpianatra ary mahatoky ny fahendren’ny Governemanta amin’ny fanatanterahana ny andraikitra manandrify azy.