FANDAHARAM-POTOANAN’NYFIVORIANA ARA-POTOANA FAHAROA TAONA 2025 9 DESAMBRA-19 DESAMBRA 2025

TALATA 9 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

9 ora sy sasany maraina :            Fivorian’ny Birao maharitra – (Efitrano fandraisam-bahiny)

Famolavolàna sy fanolorana ny fandaharam-potoana

11 ora antoandro :                         Dinik’ireo Filoha– (Efitrano fivorian’ny Vaomiera)

Famolavolàna sy fanolorana ny fandaharam-potoana

11 ora sy 20 minitra antoandro :            FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA-
                                                (Efitrano fivoriambe)

Fandaniana ny fandaharam-potoana

TALATA 16 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

9 ora sy sasany maraina:             ASAM-BAOMIERA- (Efitrano fivorian’ny Vaomiera)

Fandinihana ny Volavolan-dalàna laharana faha 016/2025 tamin’ny 03 desambra 2025 mikasika ny fiahiana ara-tsosialy

Vaomiera voakasika : Vaomiera faharoa : Lalàna

                                         Vaomiera fahatelo : Sosialy, Kolontsaina sy Serasera

11 ora sy sasany antoandro :                 ASAM-BAOMIERA- (Efitrano fivorian’ny Vaomiera)

Fandinihana ny Tolo-dalàna laharana faha 011-2025/PL mikasika ny fiarovana ireo varira, atolotry ny Solombavambahoaka RANDRIANASOLO Jean Nicolas, voafidy tao amin’ny Distrikan’i Betroka.

Vaomiera voakasika : Vaomiera faharoa : Lalàna

                                         Vaomiera fahatelo : Sosialy, Kolontsaina sy Serasera

ALAROBIA 17 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

9 ora sy sasany maraina:             FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano
                                     fivoriambe)

Fandaniana :

  • ny Volavolan-dalàna laharana faha 016/2025 tamin’ny 03 desambra 2025 mikasika ny fiahiana ara-tsosialy.
  • ny Tolo-dalàna laharana faha 011-2025/PL mikasika ny fiarovana ireo varira, atolotry ny Solombavambahoaka RANDRIANASOLO Jean Nicolas, voafidy tao amin’ny Distrikan’i Betroka.

FANAMARIHANA :

Miandry ny fahatongavan’ny rijantenin-dalàna avy amin’ny Antenimierampirenena na avy amin’ny Governemanta ny fiovàn’ny fandaharam-potoana manaraka.

ZOMA 19 DESAMBRA 2025

Amin’ny :

3 ora tolakandro :   FIVORIANA AZON’NY BESINIMARO ATREHINA- (Efitrano fivoriambe)

Lanonam-pamaranana amin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana faharoa taona 2025